<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Hitako izao, sakaiza !
 Jeso no Mpanavotra :
 Tsy mba lany ny fitia,
 Jeso no Mpanavotra ;
 Na dia saiky lasa aza,
 Ka ny olona mandao,
 Izao no mampiadana ahy,
 Jeso no Mpanavotra.

[V2]
 Raha miasy mafy aho,
 Jeso no Mpanavotra :
 Toky sy Ampinga Izy,
 Jeso no Mpanavotra ;
 Manome ny soa Izy,
 Fa ny rany mahadio
 No mahafa-keloka ahy,
 Jeso no Mpanavotra.

[V3]
 He ! ilaozako ny eto,
 Jeso no Mpanavotra :
 Indro lanitra no azo,
 Jeso no Mpanavotra ;
 Izy no Mpamonjy ahy,
 Aina sy fanilo koa,
 Fahendrena mahasoa,
 Jeso no Mpanavotra.

[V4]
 Ray ô ! Hianao deraiko,
 Jeso no Mpanavotra :
 Hianao naniraka Azy,
 Jeso no Mpanavotra ;
 Hianao Mpiaro ahy,
 Mpitahiry, Tokiko,
 No deraiko lalandava,
 Jeso no Mpanavotra.</lyrics>
<title>Hitako izao, sakaiza! FFPM642</title>
<hymn_number>642</hymn_number>
</song>